MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FOOTBALL FOR SCHOOLS

Notanterahana ny 8 jona 2023 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « Football For Schools » izay fampihofanana ho lasa mpanazatra mpanabe na « Coach- Éducateur » ny baolina kitra an-tsekoly izay karakarain’ny FIFA sy ny Federasionina Malagasy ny baolina kitra.

Ny « Football for Schools » dia fandaharan’asa novolavolain’ny FIFA mampifandraika ny filalaovana baolina kitra amin’ny fanabeazana ny ankizy mba ho lasa olombanona eo amin’ny fiainana.

Naharitra telo andro ny fampiofanana ireo mpanabe izay natao tao amin’ny Havana Hôtel Ambohidahy. Natomboka avy hatrany ny fampiharana izany tao amin’ny sekoly Masindahy Michel Amparibe izay nanatanterahana izany.

Tonga nanome voninahitra izany ny Tale misahana ny fanomanana ny taninketsan’ny Fanatanjahantena, Andriamatoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay nisolontena an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...