Notanterahana ny 8 jona 2023 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « Football For Schools » izay fampihofanana ho lasa mpanazatra mpanabe na « Coach- Éducateur » ny baolina kitra an-tsekoly izay karakarain’ny FIFA sy ny Federasionina Malagasy ny baolina kitra.
Ny « Football for Schools » dia fandaharan’asa novolavolain’ny FIFA mampifandraika ny filalaovana baolina kitra amin’ny fanabeazana ny ankizy mba ho lasa olombanona eo amin’ny fiainana.
Naharitra telo andro ny fampiofanana ireo mpanabe izay natao tao amin’ny Havana Hôtel Ambohidahy. Natomboka avy hatrany ny fampiharana izany tao amin’ny sekoly Masindahy Michel Amparibe izay nanatanterahana izany.
Tonga nanome voninahitra izany ny Tale misahana ny fanomanana ny taninketsan’ny Fanatanjahantena, Andriamatoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay nisolontena an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.