Notanterahana ny 09 jona 2023 teny amin’ny sekoly » Madagascar Swiss School », Amboanjobe ny fankalazana ny andro Olaimpika ny taona 2023 ho an’i Madagasikara.
Ny Komity Olaimpika Malagasy no nikarakara izany izay nahitana fampisehona sy fifaninanana ara-pantanjahantena maro ho an’ireo mpianatra toy ny Haltérophilie, Escrime, Pentathlon, Gymnastique, battle de Danse, Tir à l’Arc, Parcours ary ny Tennis de Table.
Fampahafantarana ny « Valeur Olympique » sy ny fampahalalana ary ny fisaritana ireo ankizy mba ho lasa taniketsan’ny fanatanjahantena Olaimpika no tanjona tamin’izany.
Tonga nanatrika ity fankalazana ity ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.