MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FESTIVAL DES RUGBYS 2023

Tontosa ny 11 jona 2023, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny Festival des Rugbys 2023 izay hetsika eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hiarahana amin’ny Masoivohon’i Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara, ny Rugby Malagasy, ny Terres en Mêlées ary ny Comité de Rugby de La Réunion.

Fankalazana ny fiadiana ny amboara eran-tany izay hatao any Frantsa amin’ity taona ity ary ho entina hampiroboroboana ity taranja ity eto Madagasikara no tanjona tamin’izany.

Nandritra izany dia lalao maro samihafa izay nahitana sokajy Minimes, Benjamins, Juniors, ary sokajy Seniors no nandraisan’ireo klioba maro avy eto an-drenivohitra sy avy any amin’ny faritra ary ny avy ao amin’ny nosy la Réunion anjara tamin’ity hetsika ity.

Nisy ihany koa ny lalao izay nifanandrinan’ny ekipam-pirenena malagasy, Makis de Magasikara, sy ny ekipa voafantina avy ao amin’ny Nosy La Réunion ary nivoaka mpandresy tamin’izany ny Makis Madagasikara tamin’isa 55 noho 20, izay nentina namarana ny fotoana.

Notoloran’ny Comité de rugby de la Réunion fitaovana toy ny baolina ireo tanora mpilalao eo anivon’ny Terres en Mélées avy any Toliara izay tonga nandray anjara.

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, notronin’ny Filohan’ny Antenimerandoholona, ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara ary ireo olona manan-kaja maro samihafa.

Autre Articles

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

Notanterahina ny 25 hatramin'ny 27 aprily 2023 tao amin'ny ILO hôtel Ambohidratrimo ny atrik'asa mahakasika ny fanentanana sy fanoloran-tenan'ireo Governora sy ireo Préfet amin'ny fandrindrana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny fandraisan'ny sehatra maro anjara...

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

Notanterahana ny 25 aprily 2023 tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fotoam-pizarana ny  taratasim-panamarinana ho an'ireo mpanazatra eo amin'ny taranja tolona miisa 26 nanaraka fiofanana nandritra ny 5 andro niarahana tamin'ireo manam-pahaizana...

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana. Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny...

TARANJA HANDBALL : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA HANDBALL : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga niarahaba sy nirary soa an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, amin'izao nanendrena azy hitantana ny Minisitera izao ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Handball, Ramatoa RAHERIARIJAONA Regina Clarisse, ny 17 aprily 2023.   Noresahana...