MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FESTIVAL DES RUGBYS 2023

Tontosa ny 11 jona 2023, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny Festival des Rugbys 2023 izay hetsika eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hiarahana amin’ny Masoivohon’i Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara, ny Rugby Malagasy, ny Terres en Mêlées ary ny Comité de Rugby de La Réunion.

Fankalazana ny fiadiana ny amboara eran-tany izay hatao any Frantsa amin’ity taona ity ary ho entina hampiroboroboana ity taranja ity eto Madagasikara no tanjona tamin’izany.

Nandritra izany dia lalao maro samihafa izay nahitana sokajy Minimes, Benjamins, Juniors, ary sokajy Seniors no nandraisan’ireo klioba maro avy eto an-drenivohitra sy avy any amin’ny faritra ary ny avy ao amin’ny nosy la Réunion anjara tamin’ity hetsika ity.

Nisy ihany koa ny lalao izay nifanandrinan’ny ekipam-pirenena malagasy, Makis de Magasikara, sy ny ekipa voafantina avy ao amin’ny Nosy La Réunion ary nivoaka mpandresy tamin’izany ny Makis Madagasikara tamin’isa 55 noho 20, izay nentina namarana ny fotoana.

Notoloran’ny Comité de rugby de la Réunion fitaovana toy ny baolina ireo tanora mpilalao eo anivon’ny Terres en Mélées avy any Toliara izay tonga nandray anjara.

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, notronin’ny Filohan’ny Antenimerandoholona, ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara ary ireo olona manan-kaja maro samihafa.

Autre Articles

HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA

HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA

Notanterahana ny 11 jona 2023 ny hazakazaky ny firaisankina izay tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin'ny alalan'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny...

FANKALAZANA NY ANDRO OLAIMPIKA

FANKALAZANA NY ANDRO OLAIMPIKA

Notanterahana ny 09 jona 2023 teny amin'ny sekoly " Madagascar Swiss School", Amboanjobe ny fankalazana ny andro Olaimpika ny taona 2023 ho an'i Madagasikara. Ny Komity Olaimpika Malagasy no nikarakara izany izay nahitana fampisehona sy fifaninanana...

FOOTBALL FOR SCHOOLS

FOOTBALL FOR SCHOOLS

Notanterahana ny 8 jona 2023 ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa "Football For Schools" izay fampihofanana ho lasa mpanazatra mpanabe na "Coach- Éducateur" ny baolina kitra an-tsekoly izay karakarain'ny FIFA sy ny Federasionina Malagasy ny baolina kitra....

BODYBUILDING: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

BODYBUILDING: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Tontosa ny 03 Jona 2023 ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Bodybuilding, izay notanterahana teny amin'ny Mining Business Center, Ivato Tonga nanome voninahitra izany fifaninanana izany ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay...

TETIKASA YOUTH PEACE INITIATIVE

TETIKASA YOUTH PEACE INITIATIVE

Nandray ireo solontena avy amin'ny firenena mikambana (Nations-Unies), ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 02 jona 2023. Voaresaka nandritra izany ny mety ho endrika fiaraha miasa hisy eo anivon'ny Minisiteran'ny ny Tanora...

TARANJA HANDBALL : FANDRAISANA NY AKIO AN’I MADAGASIKARA

TARANJA HANDBALL : FANDRAISANA NY AKIO AN’I MADAGASIKARA

Noraisin'Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, tao amin'ny Kianja BAREA Mahamasina ny 01 Jona 2023 ireo ekipam-pirenena «Akio» Handball, sokajy "cadettes sy juniors" izay niatrika ny IHF TROPHY AFRICA-ZONE 6, natao tany Afrika...