Tonga nitsidika an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny delegasiona avy amin’ny Masoivohon’i Korea miasa sy monina eto Madagasikara sy ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Taekwondo, Andriamatoa RAMANANTSOA Christian, ny 12 jona 2023.
Nandritra izany dia nisaotra ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izy ireo tamin’ny fanohanana nandritra ny « Coupe de l’Ambassadeur 2023 » izay notanterahana ny 10 sy 11 jona 2023 lasa teo.
Nanamafy hatrany ny fiaraha-miasa efa nisy ny roa tonta ary naneho fahavononana amin’ny fanampiana sy fampitaovana ary fikarakarana amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahana eto Madagasikara ny 25 Aogositra hatramin’ny 03 Septambra 2023 izao izy ireo.