MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA TAEKWONDO: FITSIDIHINA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny delegasiona avy amin’ny Masoivohon’i Korea miasa sy monina eto Madagasikara sy ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Taekwondo, Andriamatoa RAMANANTSOA Christian, ny 12 jona 2023.

Nandritra izany dia nisaotra ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izy ireo tamin’ny fanohanana nandritra ny « Coupe de l’Ambassadeur 2023 » izay notanterahana ny 10 sy 11 jona 2023 lasa teo.

Nanamafy hatrany ny fiaraha-miasa efa nisy ny roa tonta ary naneho fahavononana amin’ny fanampiana sy fampitaovana ary fikarakarana amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahana eto Madagasikara ny 25 Aogositra hatramin’ny 03 Septambra 2023 izao izy ireo.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...