MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BUREAU MONDIAL DU SCOUTISME: FITSIDIHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 15 jona 2023 ireo tompon’andraikitra avy amin’ny bureau mondial du scoutisme izay notarihan’ Andriamatoa Fréderic Tutu Kama-Kama, Directeur régional pour l’Afrique sy Ramatoa Mary Waweru, Directeur régional adjoint,  notronon’ny mpikambana ao amin’ny Comité Africain du Scoutisme, ny Filohan’ny foiben’ny Tily eto Madagasikara ary ny Filohan’ny foiben’ny kiady eto Madagasikara.

Noresahana nandritra izany ny hijerena ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondronana skoto sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ho fampandrosoana ny tanora ary hanatanterahana ny Velirano izay napetraky ny Filoham-pirenena.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....