Tonga nitsidika tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 15 jona 2023 ireo tompon’andraikitra avy amin’ny bureau mondial du scoutisme izay notarihan’ Andriamatoa Fréderic Tutu Kama-Kama, Directeur régional pour l’Afrique sy Ramatoa Mary Waweru, Directeur régional adjoint, notronon’ny mpikambana ao amin’ny Comité Africain du Scoutisme, ny Filohan’ny foiben’ny Tily eto Madagasikara ary ny Filohan’ny foiben’ny kiady eto Madagasikara.
Noresahana nandritra izany ny hijerena ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondronana skoto sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ho fampandrosoana ny tanora ary hanatanterahana ny Velirano izay napetraky ny Filoham-pirenena.