MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKETBALL N1B : FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIAKARA

Notanterahana ny 18 jona 2023 ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy N1B taranja Basketball, izay natao tany Morondava ny 10 hatramin’ny 18 Jona 2023 lasa teo.  Miarahaba ny ekipan’ny COSFA izay voahosotra ho tompondaka ny taona 2023.

Notolorana fanomezana avokoa toy ny baolina sy fanamiana ireo ekipa efatra voalohany, izay avy amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.

Tonga nanatrika izany ny Talen’ny kabinetra eto anivon’ny Ministera, Colonel RALAIKOTO Hajatiana, izay nisolotena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nandritra ny lahateniny no nisaorany ny Faritra Menabe naneho firaisankina tamin’ny fampiantranona izany ary nisaotra ihany koa ny Federasiona Malagasy ny taranja Basketball sy ny Ligim-paritra Menabe tamin’ny fahatontosana ity fifaninanana ity.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....