MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

AIKA: ALLIANCE DE LA JEUNESSE POUR LA BIODIVERSITÉ, LE CLIMAT ET LA LUTTE CONTRE LA DÉSERTIFICATION.

Notanterahana ny 20 jona 2023 tao amin’ny Radisson Blu Hotel ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana AIKA izay mampivondrona tanora miisa 50.000 ankehitriny avy amin’ny fikambanana tanora samihafa manerana an’i Madagasikara.

Nandritra izany no nanolorana ny marim-pankasitrahana manokana ho an’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay amin’ny anaran’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA

Tonga nanotrana izany ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa RAZANAMASY Tsikitsiky, izay nisolotena ny Minisitra.

Nandritra ny lahateniny no nanamafisany

fa misokatra amin’ny sehatra maro samihafa na eo amin’ny lafiny ara- tontolo iainana ny Minisitera ho fanohanana ny Tanora Malagasy.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....