MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra.

Medaly miisa efatra (4) no azon’i Madagasikara izay mitsinjara toy izao:

-Or 1

-Argent 3

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia miarahaba manokana ny atleta sy ny mpanazatra nitondra avo ny voninahim-pirenena ary nanao ny ezaka rehetra nahazoana vokatra tsara toy izao.

Tonga nitsena sy nanotrona ny fahatongavany teny Ivato ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...