MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie.

Laharana faha 14 no misy an’i Madagasikara ary voahosotra ho mpilalao nahatafiditra baolina betsaka indrindra nandritra ity fifaninana ity i Mathias M’Madi.

Tonga nitsena azy ireo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA niaraka tamin’ireo Minisitra mpiahy ny taranja Basketball amin’ny lalaon’ny Nosy hoavy izao.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...