Tao aorian’ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran’ny tanora tao amin’ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.
Tanora mpianatra sy misehatra anaty fikambanana maro samihafa no nanatrika izany fiofanana izany izay naharitra telo andro.
Nandritra ny telo andro dia niofanana mahakasika ireo « Module » miisa 5 ao anatin’ity tetikasa fanoitra ity ireo Tanora
1- Ny kolotsainan’ny Vina
2- Ny asa fandraharana ho an’ny tanora
3- Ny fialamboly
4- Ny fahaiza-miaina sy fanabeazana olom-pirenena vanona
5- Ny fahasalama sy ny fiarovana ny tanora
Izay nofaranana tamin’ny fizarana mari-piofanana avy amin’ny Institut National de la Jeunesse.
Nanatanteraka izany tany an-toerana ny Fitaleavana misahana ny tanora izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Minisitera.