MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan’ny tanora ireo soa fanararaotra rehetra misy eto Madagasikara, any Afrika ary manerana izao tontolo izao. Misy ihany koa ny zara traikefa, Masterclass isaky ny trano eva izay mety hahasoa ny tanora.

Tonga nanome voninahitra sy nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ireo solontena avy any amin’ny andrim-panjakana, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera ary ireo solontena avy amin’ireo fikambana tanora eto Madagasikara.

Nandritra ny lahateniny no nanamafisany ny fanohanana hatrany ny Tanora Malagasy izay izy ireo no kitro hifaharan’ny fampandrosoana ny firenena. Naneho ny fankasitrahany ireo mpandray anjara rehetra mandritra ity hetsika ity sy ireo mpiara-miombon’antoka manohana izao hetsika izao.

« Ry tanora, mitomboa fahalalana, araraoty ny soa fanararaotra rehetra mandritra ity hetsika ity » hoy hatrany ny tenany.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...