Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan’ny tanora ireo soa fanararaotra rehetra misy eto Madagasikara, any Afrika ary manerana izao tontolo izao. Misy ihany koa ny zara traikefa, Masterclass isaky ny trano eva izay mety hahasoa ny tanora.
Tonga nanome voninahitra sy nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ireo solontena avy any amin’ny andrim-panjakana, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera ary ireo solontena avy amin’ireo fikambana tanora eto Madagasikara.
Nandritra ny lahateniny no nanamafisany ny fanohanana hatrany ny Tanora Malagasy izay izy ireo no kitro hifaharan’ny fampandrosoana ny firenena. Naneho ny fankasitrahany ireo mpandray anjara rehetra mandritra ity hetsika ity sy ireo mpiara-miombon’antoka manohana izao hetsika izao.
« Ry tanora, mitomboa fahalalana, araraoty ny soa fanararaotra rehetra mandritra ity hetsika ity » hoy hatrany ny tenany.