Notanterahana ny 9 jolay 2023 tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny lalao famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana Orange Pro League 2023.
Ny Fosa Juniors FC avy any Mahajanga no nandrombaka ny amboara tamin’izany ka voahosotra ho tompondaka raha naharesy 1 noho 0 ny ekipan’ny Fanalamanga ary hisolontena an’i Madagasikara amin’ny « Ligue des champions Africaine ».
Tonga nanontrona sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA niaraka tamin’ireo olo-manankaja maro isan-tsokajiny, notronin’ireo tompon’andraikitra avy eto anivon’ny Minisitera.