Nigadona ny 11 jolay eto Antananarivo, ireo mpanazatra matihanina avy any Chine nafaran’ny fitondram-panjakana manokana izay tafiditra amin’ny fiaraha-miasa ara-teknika eo amin’ny firenena Sinoa-Malagasy.
Taranja miisa efatra (4) no hisitraka izany fiofanana izany toy ny taranja Tennis de table, Haltérophilie, Athlétisme ary Badminton.
Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ireo atleta Malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy izay hotanterahana ny 23 aogositra ka hatramin’ny 03 septambra 2023 izao izany.
Tonga nitsena azy ireo ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY notronin’ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Minisitera izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA.