MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MORONDAVA: FANOMANANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA (JIJ)

Araky ny toromarika avy amin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia tonga nidina ifotony any an-toerana ireo ekipan’ny Ministera izay notarihan’ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, hijery ny fikarakarana amin’ny fanomanana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora (JIJ) 2023 izay hotanterahana ao Morondava.

Nandritra izany dia nihaona tamin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Menabe sy ny Fikambanan’ny Tanora ao an-toerana ary ny Conseil Communal de la Jeunesse izy ireo ho fanomanana sy fikarakarana ny JIJ.

Nisy ihany koa ny fijerena ny mahakasika ny fanavaozana ny Tranoben’ny Tanora (Maison des jeunes) izay niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka UNFPA.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...