Nanatanteraka fihaonana tao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny 13 jolay 2023, ireo mpanazatra matihanina avy any Chine sy ireo Filohan’ny Federasiona amin’ireo taranja misitraka fiofanana izay tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11.
Nidinika niaraka tamin’izy ireo nandritra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ary nanambarana fa mila mahazo fandresana isika. Nampanantena ihany koa ny tenany fa mbola hanafatra mpanazatra matihana hanofana ireo taranja hafa ho fanohanana hatrany ny fanatanjahantena Malagasy.