MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FIZARAN’ASA SY TRAIKEFAN’NY TANORA

Nankalazaina ny 14 sy 15 jolay lasa teo tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaran’asa sy traikefan’ny tanora izay nitondra ny lohahevitra « Traikef’2 Asa ».

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanantanjahantena, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA dia manohana hatrany ireo tanora araka ny velirano faha 6 napetraky ny Filohan’ny Repoblika: « Asa mendrika ho an’ny rehetra » ka nandray anjara tamin’izany hetsika izay nokarakarain’ny MTEFPLS sy ny Entreprendre à Madagascar izany.

Fotoana nifampizarana traikefa, nampiofanana ary nifampidinihana ny hampivelarana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa, ny fampitana amin’ny tanora ny fahaiza-manao ilaina amin’ny asa, ny fahazoana asa mendrika ary ny fandraharahana.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...