Nankalazaina ny 14 sy 15 jolay lasa teo tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaran’asa sy traikefan’ny tanora izay nitondra ny lohahevitra « Traikef’2 Asa ».
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanantanjahantena, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA dia manohana hatrany ireo tanora araka ny velirano faha 6 napetraky ny Filohan’ny Repoblika: « Asa mendrika ho an’ny rehetra » ka nandray anjara tamin’izany hetsika izay nokarakarain’ny MTEFPLS sy ny Entreprendre à Madagascar izany.
Fotoana nifampizarana traikefa, nampiofanana ary nifampidinihana ny hampivelarana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa, ny fampitana amin’ny tanora ny fahaiza-manao ilaina amin’ny asa, ny fahazoana asa mendrika ary ny fandraharahana.