MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy dia nihaona tamin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin’ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay nafaran’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Voaresaka nandritra izany ny fampivondronana ny Barea izay hatao any Mahajanga ary hisy araka izany ny lalao ara-piralahina izay hifanandrinana amin’ny ekipan’i Mayotte sy ny ekipan’i Kenya.

Nisaotra sy nankasitraka izy ireo amin’ny fanohanana izay tafiditra amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izao. Nampanantena vokatra tsara sy hitondra avo ny voninahim-pirenena ny Barea nandritra izany.

 

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...