MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin’ny fomba am-panajana an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan’ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023.

Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin’izy ireo mandritra ny JIJ 2023 izay ho tanterahina any Morondava ny 12 Aogositra 2023 ho avy izao.

Naneho ny fankasitrahana ny fitondram-panjakana sy ny Minisitera ity solontenan’ny UNFPA ity amin’ny fanomezana sehatry ny tanora ary nanamafy hatrany ny fahavononana amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Autre Articles

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin'ny firenena mikambana ao amin'ny YouthConnekt Afrika...

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin'ny firenena Afrikanina samihafa eo amin'ny taranja Basket Ball...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin'ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain'ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ)....