MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIRAISAN’NY SKOTISMA ETO MADAGASIKARA

Noraisin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin’ny biraony Ambohijatovo ny 26 jolay 2023 ireo tanora skoto 15 lahy izay hisolontena an’i Madagasikara mandritra ny fihaonamben’ny Skoto na Jamboree skoto maneran-tany andiany faha 25

Ny fikambanana skoto koreana no mikarakara ity hetsika izay hatao ny 01 ka hatramin’ny 12 Aogositra 2023 ho avy izao, any Saemangeum Korea Atsimo, izay mitondra ny loha-hevitra : « ataovy sary ny nofinao ».

Nitsodrano sy nirary soa azy ireo ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary vonona hatrany amin’ny fanohanana ny skoto eto Madagasikara.

Autre Articles

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

Notanterahana ny 12 may 2023, tao  amin'ny HABAKA Tsimbazaza ny fanokafana ny fiofanana momba ny fahaizana nomerika niarahana tamin'ireo iraky ny vondrona Afrikanina misahana ny tanora, izay notarihan-dRamatoa Chido Mpemba. Nisolotena an'Andriamatoa André Haja...

TARANJA TENNIS: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA TENNIS: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Federasiona Malagasy ny taranja tennis, izay tarihan'ny Filohany,  Andriamatoa Soloniaina RAKOTOMANIRAKA, ny 11 may 2023. Voaresaka nandritra...

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

Noraisin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny " Journée des médaillés" tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 07 may 2023, ireo atleta Malagasy namiratra sy nitondra vokatra tsara teo amin'ny fifaninanana kaontinanta Afrikanina sy ny iraisam-pirenena...

TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga dia anjaran'ny tanora tao Toamasina, Faritra Antsinanana indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA. Tanora...

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

Tontosa ny Talata 2 may 2023 tao amin'ny Palais des Sports Mahamasina ny fiofanana Lifeskills Fanoitra module 2 sy module 3 mahakasika ny lohahevitra "Fanabeazana maha-olom-pirenena vanona, fandriampahalemana, ady amin'ny kolikoly, fiarovana ny tontolo iainana" sy ny...