MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

EISA (Electoral Institut for Democracy Sustainable in Africa)

Tonga nitsidika ara-pomba fanajana an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny 26 jolay 2023 teo, ny solontena avy amin’ny EISA izay notarihan’Andriamatoa Valdiodio NDYAIE.

Nandritra ny fihaonana no nandinihina sy nanaovana fifanakalozan-kevitra momba ireo endrika fiaraha-miasa misy amin’ny roa tonta, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana Filoham-pirenena izao ary handray anjara amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora ihany koa ny EISA.

Misy fihantraikany goavana amin’ny fampandrosoam-pirenena ny fijerena akaiky ny tanora amam-behivavy hoy Andriamatoa Minisitra nandritra izany. Vonona hatrany ny Minisitera amin’ny fanentanana ifotony amin’ny fandraisan’ireo tanora anjara amin’ny fifidianana.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...