MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

LALAON’NY NOSY 2023 : FITSIDIHANA IREO EKIPAM-PIRENENA

Ho fanomanana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 dia tonga teny amin’ny Hôtel Mada Espace By Pass ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA no sady Minisitra mpiahy ny taranja Boxe sy ny taranja Cyclisme niaraka tamin’ireo mpiara miasa aminy eto anivon’ny Minisitera, ny 26 Jolay 2023.

Nanolotra fanampin-tsakafo sy fanafody ary fanomezana maro hafa ho an’ireo atleta ny tenany hoentina miatrika ny fanazarantena mandritra ity fanomanana ity.

Nisaotra ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ireo Federasiona sy ireo atleta voakasika izany amin’ny fijerena akaiky azy ireo.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...