Tsy namela irery ireo mpiangaly ny taranja « Boxe » hiatrika ny lalaon’ny Nosy izay hotanterahina eto Madagasikara ny faha 25 Aogositra hatramin’ny 03 Septambra 2023 izao ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, no sady Minisitra mpiahy ity taranja ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Minisitera.
Nandritra izany dia nijery ifotony teny amin’ny toerana fanaovan’izy ireo fanazarantena ny tenany ary nanolotra fanomezana ho fanomanana ity lalaon’ny Nosy ity.
« Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana »
“Ensemble pour une victoire dans l’unité et la diversité”