MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MOTOCROSS DES NATIONS

Noraisin’Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA, ny 03 Aogositra 2023 ireo ekipa Malagasy eo amin’ny taranja Motocyclisme izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny « Motocross des Nations » ho an’ny firenena Afrikanina, izay hotanterahina any Afrika Atsimo ny 11 hatramin’ny 13 Aogositra 2023 izao.

Sambany mandray anjara amin’ity fifaninana ity i Madagasikara izay manana mpanamory miisa 8 eo amin’ny salan-taona 10 ka hatramin’ny 18 taona, izay samy tompondaka amin’ny sokajy misy azy avy.

Nirary soa azy ireo ny tenany amin’ny fihatrehana izany mba hitondra avo ny voninahim-pirenena sy ahazo vokatra tsara mandritra ity « Motocross des Nations » ity.

Autre Articles

MORONDAVA: FOKONTANY LOVOBE

MORONDAVA: FOKONTANY LOVOBE

Tsy hay ny hitazana fotsiny manoloana ny vaovao nampalahelo niseho tao amin'ny Fokontany Lovobe Morondava , izay nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo ka nahafaty olona miisa 14 ary 54 kosa nampidirina hopitaly. Amin'ny maha Minisitra mpiahy ny Faritra Menabe...

YOUTH SUMMIT 2022

YOUTH SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 21, 22 ary 23 Jona 2022, tao Antsirabe ny zaikabe rezionaly ho an'ny tanora. Tanora miisa 150 avy amin'ny faritra 11 no nanatanteraka izany hetsika izany, izay niarahana tamin'ny Catholic Relief Services (CRS). Miompana amin'ny fandraisana...

TARANJA FOOTBALL: BAREA U23

TARANJA FOOTBALL: BAREA U23

Notontosaina ny 11 Jona 2022 tetsy amin'ny kianjan'ny Barea Mahamasina ny lalao miverina izay nifanandrinan' ny Barea U23 sy ny ekipam-pirenena Maorisy . Nisaraka ady sahala tamin'isa 01 noho 01 ity lalao ara-pirahalahina izay fanomanana sahady ny fifanintsanana CAN...

TARANJA BOXE: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

TARANJA BOXE: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Tontosa ny faha- 10 Jona 2022 tetsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina ny andro voalohany amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Boxe, izay notanterahina mandritra ny telo andro ny faha-10 hatramin'ny 12 Jona 2022 izao. Tonga nanotrona...

TARANJA ESCRIME: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

TARANJA ESCRIME: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Tontosa ny faha-10 Jona 2022 ny fiadiana ny ho tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Escrime, izay notanterahina teny amin'ny kianja mitafon'ny Ankorondrano. Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy nisolotena an'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny eo...

TARANJA FOOTBALL: BAREA U23

TARANJA FOOTBALL: BAREA U23

Notontosaina ny Alakamisy faha-09 Jona 2022, tetsy amin'ny kianjan'ny Elgeco Plus Stadium ny lalao ara-piralahina izay nifanandrinan'ny Barea U23 sy ny ekipam-pirenenan'i Maorisy Naharesy tamin'ny isa 2 noho 1 i Madagasikara nandritra ity lalao voalohany ho fanomanana...