MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MOTOCROSS DES NATIONS

Noraisin’Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA, ny 03 Aogositra 2023 ireo ekipa Malagasy eo amin’ny taranja Motocyclisme izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny « Motocross des Nations » ho an’ny firenena Afrikanina, izay hotanterahina any Afrika Atsimo ny 11 hatramin’ny 13 Aogositra 2023 izao.

Sambany mandray anjara amin’ity fifaninana ity i Madagasikara izay manana mpanamory miisa 8 eo amin’ny salan-taona 10 ka hatramin’ny 18 taona, izay samy tompondaka amin’ny sokajy misy azy avy.

Nirary soa azy ireo ny tenany amin’ny fihatrehana izany mba hitondra avo ny voninahim-pirenena sy ahazo vokatra tsara mandritra ity « Motocross des Nations » ity.

Autre Articles

HANDISPORT

HANDISPORT

Nisy ny fihaonana teo amin'ny Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale Jeneralin'ny Fanatanjahantena sy ny Fédération Handisport ary Melvin sy ny Expert avy atsy amin'ny Nosy La Réunion. Hametraka fiaraha-miasa ara teknika hoentina hampiroboroboana ny taranja handisport ary...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA NY BISIKILETA.

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA NY BISIKILETA.

Ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ny bisikileta, dia nisy ny hetsika nokarakarain'ny Masoivohon'ny Inde eto Madagasikara, SEM Abhay KUMAR izay niarahana tamin'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary fikambanana tanora maro, ny Zoma faha-03 Jona...

TETIKASA MIVOATSE : DISTRIKAN’I MAHABO , FARITRA MENABE

TETIKASA MIVOATSE : DISTRIKAN’I MAHABO , FARITRA MENABE

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny faha 27 May 2022, tao Mahabo ny Tetikasa MIVOATSE izay tetik'asan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA hiarahana miasa amin'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ireo Minisitera isan-tsokajiny entina hanampiana ny...

FARITRA IHOROMBE : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA IHOROMBE : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 21 May 2022 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ihosy, Faritra Ihorombe. Tonga nitokana izany ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA izay notronin'Andriamatoa TINOKA Roberto Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Filohan'ny...

TARANJA BASKET BALL: LALAO FAMARANANA NY SMATCHIN

TARANJA BASKET BALL: LALAO FAMARANANA NY SMATCHIN

Tonga nanome voninahitra ny lalao famaranana teo amin'ny fifaninanana ara-panatanjahantena "Smatchin andiany faha 9" izay andraisan'ireo mpianatra eny anivon'ny oniversite miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, eo amin'ny taranja basket ball, Andriamatoa...