Noraisin’Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA, ny 03 Aogositra 2023 ireo ekipa Malagasy eo amin’ny taranja Motocyclisme izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny « Motocross des Nations » ho an’ny firenena Afrikanina, izay hotanterahina any Afrika Atsimo ny 11 hatramin’ny 13 Aogositra 2023 izao.
Sambany mandray anjara amin’ity fifaninana ity i Madagasikara izay manana mpanamory miisa 8 eo amin’ny salan-taona 10 ka hatramin’ny 18 taona, izay samy tompondaka amin’ny sokajy misy azy avy.
Nirary soa azy ireo ny tenany amin’ny fihatrehana izany mba hitondra avo ny voninahim-pirenena sy ahazo vokatra tsara mandritra ity « Motocross des Nations » ity.