ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA 2023 (JIJ): LIFESKILLS FANOITRA

Hotontosaina ny 09,10,11 Aogositra 2023 ho avy izao ao Morondava ny fiofanana Lifeskills fanoitra mahakasika ny lohahevitra  » Fahaizana miatrika ny fiainana » izay tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora (JIJ).

Lohahevitra miisa dimy (5) no voaboasana mandritra izany: kolotsainan’ny vina, fandraharahana sy fanabeazana ara-bola, fanabeazana olom-pirenena vanona sady vonona, fahasalamana sy fiarovana ny tanora, fialam-boly sy ala voly.

Maimaimpoana ny fisoratana anarana ho an’izay maniry hanatrika izany.

Hisy ny fizarana « Attestation » na mari-piofanana hozaraina amin’ny mpiofana nahavita fiofanana izay atolotrin’ny Institut National de la Jeunesse (INJ).