MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA 2023 (JIJ): LIFESKILLS FANOITRA

Hotontosaina ny 09,10,11 Aogositra 2023 ho avy izao ao Morondava ny fiofanana Lifeskills fanoitra mahakasika ny lohahevitra  » Fahaizana miatrika ny fiainana » izay tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora (JIJ).

Lohahevitra miisa dimy (5) no voaboasana mandritra izany: kolotsainan’ny vina, fandraharahana sy fanabeazana ara-bola, fanabeazana olom-pirenena vanona sady vonona, fahasalamana sy fiarovana ny tanora, fialam-boly sy ala voly.

Maimaimpoana ny fisoratana anarana ho an’izay maniry hanatrika izany.

Hisy ny fizarana « Attestation » na mari-piofanana hozaraina amin’ny mpiofana nahavita fiofanana izay atolotrin’ny Institut National de la Jeunesse (INJ).

Autre Articles

TETIKASA MIONJO

TETIKASA MIONJO

Notanterahana ny 11 novambra 2022 tao amin'ny domaine Ilo Andakana, Ambohidratrimo ny atrikasa izay nokarakarain'ny tetikasa MIONJO. Manana anjara toerana lehibe ny sehatry ny tanora eo amin'ny fampandrosoana ny firenena. Nandritra izany no nitondran-dRamatoa...

TETIKASA OBS MADA.

TETIKASA OBS MADA.

Notanterahana ny 27 oktobra 2022 teny amin'ny Ibis akorondrano ny atrikasa narahana ady hevitra nanaovana ny tomban’ezaka ary ny drafitr’asa manaraka mahakasika ny tetikasa OBS Mada. Ny tanjona amin'izany dia ny hahafan'ireo tanora manodidina ny 7 000 isa manerana ny...

RUGBY: FITSENANA IREO XV MAKIS LADIES

RUGBY: FITSENANA IREO XV MAKIS LADIES

Tonga soa an-tanindrazana ny delegasiona Makis vehivavy avy niatrika sy niaro ny voninahim-pirenena nandritra ny Rugby Africa Women's Cup tany Tunisie ny 14 hatramin'ny 22 oktobra 2022. Nivoaka laharana voalohany tao amin'ny vondrona C nisy azy ireo ny Makis Ladies...

HACK4PEACE 2022

HACK4PEACE 2022

Notanterahana ny 24 oktobra 2022 ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho an'ireo vondron-tanora izay nahazo ny amboara tamin'ny fifaninanana Hack4Peace sy ny YouthMobile, izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny "Journée des Nations Unies" Ny Hack4Peace dia...

YOUTHCONNEKT AFRICA SUMMIT 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA SUMMIT 2022

Tamin'ity taona 2022 ity, ny YouthConnekt Afrika dia mandray ny fivoriana fahafito niarahan'ireo komity mpitantana avy amin'ny Minisitera misahana ny Tanora mikambana ao anatin'ny YouthConnekt izay tarihan'ny Minisitry ny Tanora sy ny Kolontsaina Rwanda, Ramatoa...