MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

Noraisin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina ny faha 9 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy avy niatrika ny lalaon’ny Frankofonia andiany faha 9 izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo.

Nandritra izany dia nisaotra ireto atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto ny tenany. Medaly miisa 09 no azon’i Madagasikara tamin’izany ary nampanantena fa hanohana mandrakariva ireo atleta Malagasy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena indrindra amin’izao ankatokin’ny Lalaon’ny Nosy izao.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...