Notanterahana ny 23 Aogositra 2023 tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fanolorana fitaovana ara-panatanjahantena avy amin’ny fitondram-panjakana sy fitsofan-drano ireo atleta Malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11.
Tonga nitarika izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta sy ireo olo-manankaja isan-tsokajiny ary ireo vahiny nasaina.
Tsisy anavahana ny taranja ara-panatanjahantena fa misitraka avokoa ireo fitaovana hoentina manatrika ity fifaninanana ity. Misaotra ireo Federasiona amin’ny fandavantena sy fijerena manokana ireo atleta amin’izao ankatoky ny Lalaon’ny Nosy izao ho fanandratana ny ambompom-pirenena ka hitondra vokatra tsara mandritra izany.