MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

LALAON’NY NOSY: FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY

Tontosa ny 25 aogositra 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11, izay atao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra 2023 izao.

Firenena miisa 7 eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana toy ny Nosy La Réunion, Maurice, Seychelles, Maldives, Mayotte, Comores ary i Madagasikara no mandray anjara amin’izany ary taranja 19 no hifaninanana mandritra izany.

« Andro manatantara ny andro androany amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11.

Tsy fifaninanana ara-panatanjahantena ihany ny Lalaon’ny Nosy fa fizarana sy fifanakalozana kolotsaina eto amin’ny Faritra Ranomasimbe Indianina » hoy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sady Filohan’ny Komity mpikaraka ny Lalaon’ny Nosy, Andriamatoa André Haja RESAMPA nandritra ny lahateniny fanokafana ny lalao.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ireo Filohan’ny Andrimpanjakana, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ireo mpikambana ao anatiny Governemanta ary ireo olo-manankaja maro isan-tsokajiny.

 

« Fandresena anaty firaisankina sy fahasamihafana »

« Ensemble pour une victoire dans l’unité et la diversité »

 

 

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...