Tontosa ny 25 aogositra 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11, izay atao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra 2023 izao.
Firenena miisa 7 eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana toy ny Nosy La Réunion, Maurice, Seychelles, Maldives, Mayotte, Comores ary i Madagasikara no mandray anjara amin’izany ary taranja 19 no hifaninanana mandritra izany.
« Andro manatantara ny andro androany amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11.
Tsy fifaninanana ara-panatanjahantena ihany ny Lalaon’ny Nosy fa fizarana sy fifanakalozana kolotsaina eto amin’ny Faritra Ranomasimbe Indianina » hoy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sady Filohan’ny Komity mpikaraka ny Lalaon’ny Nosy, Andriamatoa André Haja RESAMPA nandritra ny lahateniny fanokafana ny lalao.
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ireo Filohan’ny Andrimpanjakana, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ireo mpikambana ao anatiny Governemanta ary ireo olo-manankaja maro isan-tsokajiny.
« Fandresena anaty firaisankina sy fahasamihafana »
« Ensemble pour une victoire dans l’unité et la diversité »