MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

LALAON’NY NOSY:« VOLET JEUNESSE »

Tontosa ny 27 aogositra 2023 tetsy amin’ny Arena Ivandry ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny seho an-tsehatry ny tanora (dihy sy hira) na ny « Volet Jeunesse » amin’ity Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 ity.

Ny « Volet Jeunesse » dia voasokajy ho taranja iray anatin’ny Lalaon’ny Nosy, izay natomboka teto Madagasikara tamin’ny taona 2007 ary tafiditra tamin’ny fomba ofisialy anatin’ny Lalaon’ny Nosy tany Seychelles ny taona 2011.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.

Nandritra ny lahateniny no namarihany fa tsy fifaninanana ny « Volet Jeunesse » fa fampihavanana ireo tanora eto amin’ny Ranomasimbe Indianina ary fotoana iray hahafahana mampiseho ny mampiavaka ny kolontsainan’ ireo firenena mandray anjara izany. Hisy ireo hetsika dihy, teatra sy hira ho tanterahin’ireo tanora izay hanehon’izy ireo ny mampiavaka ny Nosy niavin’izy ireo avy.

Ho an’ity andian’ny faha 11 ny Lalaon’ny Nosy ity dia hiompana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny lohahevitra hifanakalozan’ireo tanora. Ankoatra izay, dia hitsidika ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny Lapam-panjakana Iavoloha ary ny Rovan’i Madagasikara izy ireo.

Autre Articles

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran'ny tanora tao amin'ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja...

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin'ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie....

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra. Medaly miisa efatra (4) no azon'i Madagasikara izay mitsinjara toy...

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Nanatanteraka fitsidihana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 19 jiona 2023 ny solontena mpisolo-toerana eo anivon'ny UNFPA, Ramatoa Miranda TABIFOR izay solontena avy amin'ny Masoivohon’ny firenena mikambana. Voaresaka nandritra izany ny fivoaran'ny...