Notanterahina androany faha 25 Aogositra 2024 ny Antsam-piderana izay natolotry ny Filoham-pirenena hajaina Andry RAJOELINA mivady ho an’i Mahajanga.
Nisolo tena an’Andriamatoa Filoham-pirenena nandritra izany fotoana izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah
Tao amin’ny faritra Boeny no nanombohana ny fitetezam-paritra mba hitrotroana ambavaka ny firenana ary notanterahina tao amin’ny tananan’i Mahajanga izany.
Fanamby napetraky ny Filoham-pirenena mivady ny hanatanterahana io antsam-piderana io manerana ny Faritra.
Miray fo ary mitondra am-bavaka an’i Mahajanga ny vahoaka marobe sy ireo mpitondra Fanjakana tany an-toerana.