Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, MARSON MOUSTAPHA Abdulah, tetsy amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo, ny 28 Aogositra 2024, ny Filohan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra, Andriamatoa Alfred RANDRIAMANAMPISOA.
Niarahaba sy nirary soa an’Andriamatoa Minisitra ny filohany FMF amin’izao nahavoatendry azy ho Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena vaovao izao.
Voaresaka nandritra izany ny fikarakarana ny fandraisan’ny Barea anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena izay ny akaiky indrindra amin’izany dia ny fifanintsanana handraisana anjara amin’ny CAN – 2025.
Nanainga androany ny andiany voalohany amin’ireo delegasiona malagasy avy eto an-toerana tarihin’i Coach Roro.