MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon’ny biraon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan’ ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah.
Nambarany taorian’izany fa zava-dehibe izao fanaovana fanambaram-pananana izao izay voafaritry ny didy aman-dalàna tokony tanterahin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ary nanentana ireo mpiara-miasa aminy izay voakasika izany ny tenany.
Nohamafisiny fa anisany lalana hanatratrarana ny vina sy ny tanjona izay napetraka,dia ny fitantanana mangarahara.
Fanambaram-pananana izay anisan’ny paikady oentina iadiana amin’ny kolikoly eto Madagasikara.
Tonga nanotrona azy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera.
Mahakasika ny fandaharam-potoanany dia nambarany fa amin’ity faran’ity herinandro ity dia hisy ny fitsidihana izay ho atao any Betafo sy Toamasina hijerana ny fizotrin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena.

Autre Articles

JUDO: COUPE DE MADAGASCAR 2022

JUDO: COUPE DE MADAGASCAR 2022

Tonga nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2022 eo amin’ny taranja Judo izay tontosaina etsy amin'ny Kianja mitafon'Ankorondrano, Andriamatoa RABARINALA Thierry , Tale Jeneralin’ny Académie Nationale des Sports(ANS), izay nisolo...

FANOMANANA NY FANDRAISANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FANOMANANA NY FANDRAISANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Mizotra tsara ny fametrahana ireo rafitra rehetra ho fanomanana ny handraisana ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara. Tsy mitsahatra mikaon-doha miaraka amin’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Filohan'ny Komity Olaimpika...

FANOKAFANA NY CHAMPIONS LEAGUE ATSIMONDRANO

FANOKAFANA NY CHAMPIONS LEAGUE ATSIMONDRANO

Tonga nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny "Champions League Atsimondrano" teny amin'ny kianjan' Antanikatsaka Itaosy Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Nandritra izany no nanolorany baolina kitra isaky ny Kaominina nandray anjara...

OPEN DE MADAGASCAR 2022 : TARANJA  TOLONA NA LUTTE

OPEN DE MADAGASCAR 2022 : TARANJA TOLONA NA LUTTE

Tonga nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2022 ny taranja Tolona na " Lutte" notontosaina tetsy amin'ny Kianja mitafon'Ankorondrano, Andriamatoa RAZAFIMBELO Alain, Talen'ny kabinetra eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay...

FIFAMINDRAM-PAHEFANA

FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Notontosaina ny 21 Martsa 2022, teto anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ambohijatovo ny fanaovan-tsonian'ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitra vaovao TINOKA Roberto sy ny Minisitra teo aloha MAMOD’ALI Hawel ary ny Minisitra lefitra...