Kabarin’ Andriamatoa Jean Ravelonarivo Lehiben’ny Gouvernemanta FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY TANORA

12 AOGOSITRA 2015 – MORAMANGA

Hafaliana lehibe ho ahy ny hiarahako aminareo eto androany ary raisiko ho voninahitra ny mitafatafa aminareo tanora eto Moramanga, misolotena ny tanora eran’ny Nosy, amin’ny fankalazana ny andro anio, fotoana natokana manokana ho anareo miaraka amin’ny namana eran-tany.

Trsy azo amaivanina izany satria ny fahatsapana ny lanja sy toerana tazominareo tanora eo anivon’ny fiaraha-monina, manoloana ny fampivoarana ny tontolo manodidina anareo no nanosika io fanapaha-kevitra ara-drariny noraisin’ny Firenena mikambana io.

Raha mandrafitra politika hoan’ny tanora ny fanjakana dia nahatsinjo an’izany lanja izany sahady ka namaritra ny tanora ao amin’ny andininy faha-4 ny lalàna 2004/028, ho hery sy harena stratejika ho amin’ny fampandrosoana. Ary dia tsy azo lavina izany satria izany atao hoe tanora izany no itarafana ny toetra tsara eo amintsika olombelona (hery, fahasahiana, saina madio sy tia karokaroka ary fivoarana, hatsara, fitiavana sy fandalinana fiaraha-monina sns…). Ianareo tanora ihany koa no maro an’isa raha tsy hilaza ny eto amin’ny Firenentsika fotsiny aho izay mitentina ho 60% ny mponina. Fanantenana lehibe no andrandraina aminareo ka nanosika ny safidy amin’ny lohahevitra hanentana ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny tanora tamin’ity taona ity dia ny hoe « fanolorantenan’ny tanora ho fampandrosoana ny Firenena » (engagement civique des jeunes).

Ianareo no tompon’ny ampitso ary antoka hanovana izay tsy mety amin’ny tontolo iainantsika ankehitriny. Manomboka amin’ny fahatsapana ny andraikitra tokony sahaninay izany, miainga amin’ny kely eo anivon’ny fianakavina ka mipaka amin’ny fiainan’ny Firenena. Ny fitambaran’ny vokatry ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra hampandroso ny manodidina azy no antoky ny fivoaran’ny Firenena.

Izahay zoky raiamandreny moa dia manome toky ny hiara-dia amin’ny hetsika rehetra tokony hatao, hanamorana ny firotsahanareo tanora amin’ny sehatra samihafa tandrify ny tsirairay ka hijoroana amin’ny fampandrosoana.

Porofoin’ny P.M.O. izany satria voasoritra ao ny hametrahana Maison des Jeunes (Akany ho an’ny Tanora) manerana ny District, mialohan’ny ho an’ny Kaominina, raha tsy hilaza afa-tsy io ny tenako. Ary tsy voatanisako eto ny fanampim-panabeazana sahanin’ireny rafitra ireny ho an’ny tanora manatona an’izany.

Hamaranako ny teniko dia manamafy ny fiarahabana anareo tanora noho ny andro androany, ka mirary anareo ahita soa.

Misaotra ny mpanabe tsy ankanavaka manomboka amin’ny ray amandreny ka miafara amin’ny mpiandraikitra manokana ny tanora.

Tsy adino koa ianareo mpiombon’antoka miara-misalahy amin’ny ezaka rehetra.

Misaotra sy mankatelina Tompokolahy sy Tompokovavy.