Tompoko,
Mba ahafahan’ny malagasy mihanoka ny eklipsa mandritry ny andron’ny 01 septembre am-pitoniana izay tsy hiverina intsony raha tsy afaka 50 taona indray, ny MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA dia mangataka ny fiaraha-miasa avy amintsika amin’ny fampitana izao hafatra izao any amin’ireo rafitra ananantsika : JPE, Tanora Garan’teen, ekipa DRJS, DelJS…
Entanina ny tanora sy ankizy, ny ray aman-dreny sns…mba hanao ny solomaso fiarovana voatokana hijerena izany hisorohana ireo fahasimban’ny maso izay mety tsy ho azo sitranina.
Ho anareo any amin’ny faritra ( DRJS, JPE…) : afaka manatona ny Médecins Inspecteurs eny an-toerana maka ny afisy sns…sy ny andinindininy.
Toerana sy fotoana hitrangany :
Alakamisy 01 septambra 2016, maharitra ora 3;
– MAHAJANGA sy TOAMASINA: eklipsa feno ( éclipse total) : 10 ora 47min – 2 ora folak’andro 24min;
– ANTANANARIVO, TOLIARY : eklipse ampahany ( éclipse partiel), izay tena mila fiarovana ihany koa : 10 ora 56min – 2 ora folak’andro 29 min;
Toerana azo ividianana ny solomaso :
Fivarotam-panafody ( pharmacie, dépôt de médicaments), stations service, grandes surfaces/supermarchés, opticiens.
NB: Afaka mampan-dre ny manam-pahefana akaiky izay mahita mpivarotra tsy voalaza etsy ambony.
Vidiny : 1500ar
Ny MIN.SANP. dia efa miezaka mandresy lahatra mpandrahara ekonomika hividy ho zaraina an’ireo tsy manana fahefa-mividy sy monina alavitra.
Mankasitraka indrindra amin’ny fiaraha-miasa.