KABARIN’ ANDRIAMATOA MINISTRA FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

Tompokolahy sy Tompokovavy,

An-kafaliana lehibe tokoa no iarahabana antsika rehetra vory lanona eto izao.

Inona tokoa moa no mahatafavory antsika anio raha tsy hankalaza sy hanamarika fa manan-danja amintsika tsirairay avy izany fandriampahalemana sy fitoniana izany.

Anisan’ny andry iankinan’ny fandriampahalemana ireo tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy, nasongadin’ny Firenena Mikambana ho lohahevitra izany amin’ity taona 2016 ity.

Iray amin’ireo tanjona ireo ny fiaraha-mientana mba hanatratrarana ireo tanjona rehetra. Io indrindra no nasongadintsika anio fa isika rehetra no miara-misalahy sy miara-miombon’antoka ary miara-miasa.

Endrika lehibe nentina naneho izany izao fiarahantsika mientana izao.

Anisan’ny tanjona, paik’ady ary politika napetraka ihany koa ny fampandraisana anjara ireo tanora sy ireo vondrona miara-miasa amin’ny tanora sy miasa ho an’ny tanora ho fanamafisana ny fandriampahalemana (na ny consolidation de la paix) ary naseho izay tamin’ity hetsika androany ity.

Roa volana mahery tokoa izay no nanomanana ity “Valalamanjohin’ny Fandriampahalemana” ity. Ary dieny tany am-boalohany, izany hoe nanomboka tamin’ny fanomanana rehetra dia efa vondrona sy olona maro avy amin’ny ministera, fikambanana tanora, skoto ary avy amin’ny fiarahamonim-pirenena no efa tonga namaly ny antso ary nanomana izany.  Ary ny tena maro an’isa tamin’izy ireo dia ny tanora.

Nandray anjara navitrika izy ireo, tsy nisalasala naneho-hevitra, nanapa-kevitra, nitarika fivoriana isaky ny vondrona kely tsirairay avy nandritry ny fanomanana ary mbola nitaona ireo namany sy havany ihany koa hanotrona izao fankalazana izao.

Deraina manokana ianareo tanora ny amin’izany.

Porofo mivaingana izany fa tsy hisy fampandrosoana maharitra eto raha tsy ianareo tanora izao no hahatsapa fa tompony ary ho tompon’andraikitra handray anjara amin’izany fampandrosoana izany.

Eto am-pamaranana ary dia tsy hay ny tsy hisaotra anareo tanora, ianareo mpiara-miasa ato amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ianareo mpiara-miasa ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana ary singanina manokana amin’izany ny “Coordination Nationale de la promotion du Volontariat”, ianareo fikambanana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena rehetra, ianareo avy amin’ny fokontany, tsy adino ianareo avy amin’ny ministera hafa tonga namaly ny antso na tamin’ny fanomanana na tamin’ny fanatanterahana izao “Valalamanjohin’ny Fandriampahalemana” izao.

Isaorana ihany koa ianareo Mpiaramiombon’antoka rehetra, raha tsy hitanisa afa-tsy ny PNUD, ny UNFPA ,ny Programme des Volontaires des Nations Unies, nanome tanana mba hahatanteraka izao hetsika izao ary ianareo rehetra nanampy sy nifanotrona tamin’ny fikarakarana.

Ary farany izay tena mana-danja aminay tokoa dia misaotra anao Andriamatoa Praiminisitra nanaiky hiaraka hankalaza ity andro ity aminay. Ankasitrahana ny fahatongavanao. Izany dia midika aminay fa manan-danja aminao tokoa ny tanora Malagasy.

Ary mbola amafisina ihany koa ny fisaorana antsika rehetra tonga manotrona izao andro fankalazana izao.

Mankasitraka indrindra Tompoko.