Fantatra avokoa ny anaran’ireo mpilomano efatra mianadahy handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny taranja lomano. Fihaonana hotanterahina any Budapest, Hongrie, ny 14 ka hatramin’ny 30 jolay ho avy izao. Rasolonjatovo Mickael, avy amin’ny ST Michel, nahazo isa 3706,17 sy Andrianirina Lalanomena Anthony, nahazo isa 3444,79 teo amin’ny lehilahy.
Razafy Elodie Razafy, manana isa 3598,53 sy Rabetsara Aina Estellah Fils, nahazo isa 3461,85 kosa teo amin’ny vehivavy. Marihina fa taorian’ny fanatontosana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, natao teny amin’ny dobo filomanosan’ny Cnaps teny Vontovorona no nahafahana nanasokajy azy ireo. Nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona fa nangataka tamin’ny federasiona iraisam-pirenena izy ireo, mba hahazo handefa mpilomano efatra hifaninana eo amin’ny “relais 4 x50 m” sy ny “nage libre” ary ny “4 x 50 m quatre nages” ary nahazo valiny mahafa-po.
“Afaka handeha tsy misy ahiahy izany ny solontena malagasy amin’ity, rehefa tsy hita nandritra ny roa taona teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Amin’ity ny federasiona iraisam-pirenena, no mandray an-tanana ny zava-drehetra, hahazoana miatrika izany”, hoy Ramanantsoa Gabriel, filohan’ny federasiona.
Source : Taratra du lundi 20 février 2017 ;Aut : Torcelin