Azo lazaina ho feno ny fandaharam-potoanan’ny taranja « athlétisme » amin’ity taona ity ary ho afa-po ireo mpakafy sy atleta malagasy mandritra ny taom-pilalaovana satria dia maro ny fifaninanam-pirenena hiseho mandritra ny taona.Amin’izao fotoana izao dia efa mahatratra 2574 ny isan’ireo atleta malagasy manana « Licence » izay ahitana ny sokajin-taona rehetra. Miisa 72 kosa ny isan’ireo klioba manerana ny nosy izay tafiditra anatin’ny ligy 15. Ny ligy Itasy no mitana ny laharana voalohany amin’ny fananana atleta manana Licence be indrindra.
Notanterahana ny 20, 21 ary 22 jolay 2018 lasa teo tao amin’ny kianjan’Alarobia ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja « athlétisme » ho an’ny tanora. Tamin’ity taona ity dia nanjakan’ireo atleta avy any amin’ny ligin’Atsimo Andrefana ny fifaninanana ka nandrombahan’izy ireo medaly miisa 61 ka volamena ny 24, volafotsy kosa ny 23 ary varahana ny 14. Laharana faharoa kosa ny avy any amin’ny ligin’Atsinanana izay nahazo medaly volamena 12, medaly volafotsy 12 ary medaly varahana 11. Ny ligin’Analamanga no nitana ny laharana fahatelo izay nahazo medaly volamena 8, volafotsy 15 ary varahana 19.
Voahosotra ho klioba mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana ny klioban’ny GTS izay nahazo medaly miisa 35 ka volamena ny 12, volafotsy ny 16 ary varahana ny 7. Laharana faharoa ny klioban’ny ASCUT izay nahazo medaly volamena 12, medaly volafotsy 12 ary medaly varahana 11. Laharana fahafolo kosa ny klioban’ny CROWN izay nahazo medaly 3.
Azo lazaina ho miankina tanteraka amin’ireto atleta zandriny ireto ny hoavin’ny athletisme malagasy izay hita fa mampiseho fahavononana sy fahaiza-manao avo lenta. Ny tanjon’ny federasiona malagasy amin’ny taranja « athlétisme » dia ny hitondra avo ny voninahim-pirenena any amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena avy ivelany ary vonona hifanome tanana amin’izany ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsiahivina fa amin’izao fotoana izao dia misy ireo atleta malagasy mandranto fiofanana any Chine.