DRH/ANS : FIZARANA NY ARRETE DE NOMINATION SY NY NOTE D’AFFECTATION

Tontosa anio zoma 3 Desambra 2021 ny fizarana ny « Arrêté de nomination sy ny Note d’affectation » ho an’ireo mpianatra « Maîtres et Maîtresses d’Education Physique et Sportive », izay nianatra nandritra ny 2 taona tao amin’ny Académie Nationale des Sports (ANS).

Fizarana izay notanterahin’ny Tale misahana ny maha olona eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ramatoa HANITRINIAINA Lynda, nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra.

Marihina fa izy ireo dia ho aparitaka manerana ny distrika 119, hampianatra sy hanampy eny amin’ny sekolim-panjakana noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Nampita ny tso-drano ho azy ireo ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD’ALI Hawel mba hahavita an-tsakany sy andavany ny adidy aman’andraikitra ankinina amin’izy ireo ho fampandehanana ny asam-panjakana.

COM/MJS, Desambra 2021