ECOSOC: Ny tanora sy ny fifandraisana ara-tsosialy, ny siansa ary ny fampandrosoana maharitra.

Ny ECOSOC 2025 Youth Forum miaraka amin’ireo sampan-draharaha samihafa eo anivon’ny Firenena Mikambana (PNUD, UNESCO, UNICEF, UNFPA, sns.) dia  mikarakara hetsika mahakasika ny tanora sy ny fifandraisana ara-tsosialy, ny siansa ary ny fampandrosoana maharitra. Ho fanamafisana ireo zon’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, fampianarana sy ny famoronana asa.

Mandray anjara amin’izao hetsika izao ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah sy tanora miisa telo avy any amin’ny faritra. Nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka PNUD sy OIT, Andriamatoa Minisitra,amin’ny fanohanana ara-bola ireo tanora mihatrika ity hetsika ity.

Ity hetsika ity izay hatao ny 15 aprily 2025, dia mikendry ny hamoaka tatitra izay nataon’ny firenena mikambana izay mifototra amin’ny fanombanana miisa 298 nataonizy ireo. Izany tatitra izany dia natao hamaritana ireo paikady mahomby amin’ny fanatsarana ny fanabeazana sy fahaleovan-tena ara ekonomika an’ny tanora.

Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanatsarana ny politikam-pitondrana ho avy amin’ny hanomezan-danja misimisy kokoa ny tanora ary hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra  laharana faha-5 (fahasalamana) laharana faha-8 (asa mendrika sy fampandrosoana ara-ekonomika) ary faha-17 (fiaraha-miasa ho fanatrarana ny tanjona)

Ho hita mandritra ny hetsika ny endrika fifampizarana samihafa miaraka amin’ireo tanora mpitarika sy manam-pahaizana mahakasika ireo sakana eo amin’ny sehatry ny asa, ny fampianarana ary ny fandraisan’anjara’ny tanora amin’ny fandrafetana ny paikadim-pampandrosoana.