
Misolo-tena ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, mandray anjara amin’ny « Dialogue des États Insulaires sur la Stratégie de la Jeunesse », izay tanterahina any Maurice ny 13 hatramin’ny 15 Aprily 2025, ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora (DGJ), RAHAJARIJAONA Arlette.
Ity fihaonana ity dia manome sehatra ho an’ireo nosy mba hifanakalozana traikefa sy hamolavolana paikady iombonana ho an’ny tanora, indrindra eo amin’ny fanatsarana ny fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana maharitra.
Ny fandraisana anjaran’i Madagasikara dia fanehoana mazava ny fahavononan’ny Minisitera hiara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka manerana an’i Afrika sy amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny famolavolana politika ifotony sy miompana amin’ny tanora.