
Ny faha 19 Janoary 2022 no nosokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 izay natao tao amin’ny Distrikan’i Mahanoro, teo ambany fitarihin’ny Minisitry ny tontolo iainana Baomiavotse Vahinala Raharinirina, MEDD izay nisolo tena ny Filoham-Pirenena Andry Rajoelina.
















Nandray anjara tamin’izany fambolen-kazo izany ny Ministère de la Jeunesse et des Sports ka nahitana ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Juliana Tahina Ratovoson., ireo STAFF sy mpiara-miasa ao amin’ny Ministera foibe, ny Centre Regional De La Jeunesse Et Des Sports CJST Toamasina, ary ireo avy amin’ny Maison des Jeunes Mahanoro sy DRJS Analanjirôfo.
















Ny fanokafana ny fambolen-kazo no tontosa tany Mahanoro, fa ny adidy amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara dia hanentanana ny TANORA rehetra ny fandraisana anjara mavitrika amin’izany.
© VMJ Janv 2022